Essays.club - Dissertations, travaux de recherche, examens, fiches de lecture, BAC, notes de recherche et mémoires
Recherche

L'inception

Par   •  19 Mai 2018  •  7 319 Mots (30 Pages)  •  651 Vues

Page 1 sur 30

...

Raha ny amin’ny nidiran’ny Fivavahana Kristiana indray no lazaina dia saiky ireo Eropeana izay nivezivezy tany amorontsirak’i Madagasikara iny no angady nanana sy vy nahitana izany. Noho izany, dia andeha hojerentsika araka ny fotoana nidirany avy ireo Eropeana ireo.

11.2 Ny fifampikasohana tamin’ny Eropeana.

a) Ny Portiogey.

Tamin’ny 10 Aogositra 1500 no tonga teto Madagasikara ny Portiogey atao hoe Diego-Diaz. Izy izany no Eropeana tonga teto voalohany indrindra. Tsy nahavita nitory ny Filazantsara teto akory, dia lasa. Fa tamin’ny taona 1585, dia tonga indray ny Piretra Portiogey iray atao hoe Saint Thomas, izay nanorim-ponenana tao renivohitr’I Boina (Mahajanga). Saingy niasa fotoana fohy izy dia maty, tamin’io taona io ihany. Fotoana vitsy taorian’izany, dia nandefa Piretra zezoïta iray atao hoe Louis Mariano indray ny Katolika izay niasa tao Fort-Dauphin ny taona (1613 – 1630); izay niaraka tamin’ny miaramila Portiogey marobe.

Nifandray tamin’ny mpanjaka Antanosy ny vahiny ka nalefan’izy ireo nianatra Soratra Masina tany Inde ny zanaky ny mpanjaka. Kanefa rehefa niverina avy tany Inde taorian’ny enim-bolana, dia nitsoaka tany anaty ala; nitaona ireo vahoaka Antanosy hikomy amin’ireto Portiogey izy. Vokany nandamoka ny fitoriana ny Filazantsara nataon’ny Katolika tamin’ny foko Antanosy. Satria, “Aleonay very manaraka ny fivavahan’ny mpanjakanay toy izay hahazo ny lanitra amin’izay fivavahana voavao izay nentiny vahiny izahay…” hoy ireo Antanosy.[pic 1]

b) Ny Holandey.

Tamin’ny taona 1695 no tafiditra tao Fort-Dauphin tamin’ny alalan’I Cornellis de Houtman ny Holandey. Tsy dia I Madagasikara no nokondreny hiantsonana, fa I Batavia (Indonesia) no nokendreny ho tratrarina tamin’izany. Saingy noho ny harena nisy teto amintsika, dia nijanona izy, ary nampiditra ny fivavahana Kristiana, tsy tanteraka anefa izany satria variana tamin’ny fanondranana andevo sy fitadiavana tombontsoa samihafa izy.

d) Frantsay.

Tamin’ny taonjato faha 19 dia samy nifaninana hiditra teto Madagasikara avokoa ny Frantsay sy ny Anglisy. Kanefa noho ny fifanarahana izy roa tonta, dia ny Frantsay no nahazo an’I Madagasikara. Araka izany dia nataon’ny Frantsay ho toeram-pandratoana andevo sy vary ary omby i Madagasikara. Tsy ny raharaham-barotra ihany anefa no nimasoan’izy ireo teto, fa ny nampiditra ny Fivavahana Kristiana tamin’ny Malagasy koa.

TOKO II : IREO MISIONA SAMIHAFA TONGA TETO MADAGASIKARA.

2.1 Ny (London Missionary Society) LMS.

Ny LMS dia fikambanan’ny Kristiana vitsivitsy notarihan’ny Fanahy Masina tamin’ny taona 1795, mba hitondra ny Filazantsaran’I Kristy ho an’ny olona izay mbola tsy mahalala Azy. Ary saiky nahitana Karazan’olona avy tamin’ny antokom-pinoana isan-karazany ny tao amin’ny L M S[pic 2]

BOKY NANOVOZAN-KEVITRA

- Andrianony: “Ny diarin’ny isan’enimbolana” Imp. Protestante 1958.

- Boitier Pierre : « Contribution à l’histoire de la Nation Malgache », Paris 1982

- BUCH SENSHUTZ « La mission Lutherienne à Madagascar » edition, imp. De la mission Norvegienne Tananarive 1938.

- CLARK H.E “Ny tantaran’ny Fiangonana”. 1887

- COUSINS W.E “ Fomba Malagasy Antananarivo”. 1955

- DOMENICHINI J.P « les Dieux au Services des Rois, histoire orale des sampin’Andriana ». Centre National de Recherche. 1984

- Journal de Mission Evangelique de Paris. N° 118, 1898

- Ny santenarin’ny LMS . 1895

- Document historique de Madagascar. N°33, 34 , 40, Ambozontany Fianarantsoa. 1967.

- Gazety Midi Madagascar ny 06/09/89

- Gazety Midi Madagascar ny 07/08/89

33

---------------------------------------------------------------

Famintinana:

Eto am-pamaranana, dia azo lazaina fa tsy mora ny lalana nodiavin’ny Fiangonana vao tonga amin’izao fiombonana izao. Eny na dia mbola tsy tratra aza ny tarigetra napetraky ny Tompo tamin’ny mpianany: “mba ho iray ihany izy rehetra…” (Jaona 17/21) dia isaorana Ilay Andriamanitra Raintsika amin’ny alalan’I Jesoa Kristy lohan’ny Fiangonana, izay niaro sy nitantana ny Fiangonany tao anatin’ny 480 taona nizoran’ny tantarany izay. Hiarahantsika mahatsapa ankehitriny fa tsy menatra amin’ny maha-vavolombelon’I Kristy azy ny Fiangonana noho ny fiaraha-miasa ao anatin’ny fiombonambe FFKM izay mahasolo tena ny Fiangonana eto Madagasikara.

Izany rehetra izany, no tanteraka dia noho ny fanomezan’Andriamanitra maimaim-poana ny fanahin’ny firalahiana teo amin’ny isam-piangonana ka nampifanatona ireo tsy nitovy fomba fijery; nahay nampandefitra ny ambom-pony avy. Tsy ny fanahin’ny firalahiana ihany no nomen’I Kristy antsika, fa tao ihany koa ny fanahin’ny faharetana amin’ny ady sarotra; satria raha nandalo ny vanim-potoanan’ny fanenjehana ny Fiangonana tao anatin’ny 20 taona (1837-1857), dia tsy sakana velively tamin’ny firoboroboan’ny finoana izany. Fa vao mainka nanjary tany lonaka nahavelona ny fanantenan’ny mino ho amin’ny fiainana mandrakizay izany.

---------------------------------------------------------------

dia ny Kongregasionalista, Metodista, Presbiteriana, Anglikana, izay niray hina tsara. Ny zavatra nokendren’ny LMS dia ny hitory Filazantsara amin’ny olona rehetra mba hahasambatra azy. Koa rehefa mandray tsara an’I Tompo Jesoa izy dia avela hisafidy izay Fiangonana tiany arahina.[pic 3]

- Ny nahatongavan’ny LMS teto Madagasikara.

Ny Dr Vanderkamp, misionera LMS nalefan’ny misiona ho any Afrika Atsimo no nangatahina mba hanao ny asa fitoriana ny Filazantsara teto amin’ny nosy. Nandamoka anefa izany noho ny fahasarotan’ny fifamoivoizana teto Madaagasikara. Kanefa niroso ihany ny dian’I Dr Vanderkamp ho aty Madagasikara, saingy maty tao Morisy izy ny taona 1811 ka tsy tafita teto amintsika akory.

Fa ny tena angady nanana sy vy nahitana ny Filazantsara kosa dia ny LMS tamin’ny alalan’ny

...

Télécharger :   txt (54.4 Kb)   pdf (113.6 Kb)   docx (43.9 Kb)  
Voir 29 pages de plus »
Uniquement disponible sur Essays.club