Essays.club - Dissertations, travaux de recherche, examens, fiches de lecture, BAC, notes de recherche et mémoires
Recherche

Apiculture à Marofarihy Manakara Madagasikara

Par   •  20 Novembre 2018  •  39 810 Mots (160 Pages)  •  602 Vues

Page 1 sur 160

...

Ny Renirano Mananano dia Renirano lehibe ato amin’ny faritra Antaimoro ato amin’ny faritry Marofarihy sy Ambila. Ary dia saika handalovany avokoa ny faritra manodidina izay vao nivariny any amin’ny vinany izany hoe any amin’ny ranomasina. Ka toy izao ny lalany avy any amin’ny lohany any Andriananovoka dia mandala an’I ambodo voaboana miditra amin’ny kaominin’ny Amboanjo, mandalo an’i Vohitrivalana,miditra any amin’’ny tananan’ny Mideboka kaominin’ny Marofarihy midina dia tonga amin’ny Renivotra Antemoro mananano kaominin’ny Ambila,mandala ny Tanana beanana dia midina amin’ny kaominin’I Nosy Ala dia mivarina any amin’ny vinany izany hoe any amin’ny ranomasina.

Ny Antony sy Tantarany nahatonga ny anarana hoe Manañano dia nisy olona avy any ivelany faritra antemoro niditra taty amin’ny tananan’ny Antemoro izay hanorom-ponenana ao Antemoro. Ka rehefa tonga tao Ambila renivohitrin’ny Antemoro rizareo fianakaviana nitarika avy any Antsimo avy any amin’ny faritra Zafisoro andrefanan’ny Farafangana. Dia notafin-drizireo Tanala dia hoy ny Antebe sy tamin’ny zandriny Atesira hoe anao zandry dia alefa any ambavan-dalananhiambina ny farihantsika,Dia nandeha ny Antesira sady namorona Tanana natao hoe: “miteno piky”. K any asan’izireo dia miheno ny zavatra maresadresaka sy miambina ny fihetriky ny Antanala mpanafika. Raha maheno zavatra maresaka na fihetsika hafahafa dia mampandre ny Antembe aty an-tanana ny sasany mapilaza amin’ny namana. Misy indroa isakerinandro ny mpanafika nanao ny fanafihana dia rava foana, ka rehefa mody rizareo dia mimonomonina no sady mandeha miverina amin’nio rano io izay rano fandalovan’izireo rehefa mandeha manafika iny. Tamin’ny farany anefa dia efa sivy izireo satsia resy foana dia niteny amin’izay nizy hoe (da manañano ro ry zalahy io) izany hoe manana ny heriny sy ny satany. Dia nanomboka teo raikitra ny anarana hoe “Manañano”.

Hoy RAZAKAMIARY monina ao Marofarihy manao hoe: “sahala amin’ny zavatra rehetra manana ny tsiambaratelony ity renirano Mananano ity izay ato hoe Reniran-drazana. Ka noho izany dia maro ireo zavatra tsimaintsy tandremana noho ny fisian’ny fady aminy sy ny fahamasinany. Raha eo amin’ny fadin’ity renirano ity dia maro ny zavatra tsimaintsy tandremana mba hialana amin’ny zavatra ratsy mety hiseho sy hitranga.”

Voalohany amin’izany dia tsiazo hanasana lamba mena noho izy fady lamba mena. Faharoa manarak’izany dia tsy azo atao koa ny manasa vilany, sihoa satsia lasa mivarina ao ny loto fa rehefa hanasa izany dia atao lavitra an’ilay rano ary halaina amin’ny sihoa ny rano izay vo sasana ambohitra lavitra eny.

Fahatelo farany ity dia fady iraisan’ny Antemoro rehetra na eo amin’ny fihinanan’azy na eo amin’ny rano izany hoe tsy azo hanasana hena kisoa ary ny olona avy nihinana henan-kisoa dia mandro na manasatanana fa tonga dia miboaka ny voay raha ohatra ka manao izany eo amin’io rano io n’y olona. Ary tsimivoaka velona aza. Tsiazo anoharana na ifandirana izany fady izany fa marina na dia amin’izao andro an-kehitriny izao aza.

Manana ny hasiny ilay renirano satria rehefa misy ny lanonana atao toy ny ANAHANDROBE izay fandroana masina fanao isakin’ny telo taona dia mila rano velona ny olona mangataka tso-drano ka amin’io renirano io no angalana ny rano anaovana ny tso-drano fa saingy misy karazan’olona no mangala azy any toin’ny mpanjaka (tomponentso) Vao maraina be no fangalana ny rano mba hanakasina ny zavatra ampiasana io rano io.

Mbola maneho ny hasiny mananano ihany koa rehefa avy ny taon-tsarotra. Ohatra amin’ny Hain-tany tsy fisiany orana ireny aminy volana Octobra, Septambra iny dia mandeha ny mpanjaka manao “Tsipirano” na mangatatson-drano amin’ny razana aminy alalany fampiasana ny ranon’ny Mananano mba hisiany orana latraka. Ka toy izao ny ataony mpanjaka amin’izany manao hoe “Mba ho maiñy ho morana ñy andro”. Izany hoe sady ho maina ho latsak’orana ny andro. Dia mbola ny mpanjaka ihany koa ny mangataka ny tsodrano aminy razana raha mbola mitohy na mandreky ny haintany ka hatahorana ny mety hisiany afo na fanamaizana dia lasa ny mpanjaka mangala rano amin’ny Mananano hanondrahana ny Vato fatara (Vato mitsangana na natsangana eo afovoany Tanàna mba hangatsiatsiaka ny Tanàna) Ohatra raha sendra misy trano may ao antanana dia lasa mihazakazaka ny olona eo antanana mangala rano amin’ny Mananano amin’ny lapanana (Volo lava) Dia araraka amin’ilay vato fatorana izay efa nomen’ny mpanjaka tson-drano iny dia maty avy hatrany ny afo. Na dia somary lavitra ny toerana misy ilay vato fatorana no may, dia maty ihany ny afo.

FANAMARIHANA:

Tsy ny trano may no asiana rano fa mampintombo ny isany tsano may fa ilay vato. Fatorana any ampatrange (any amin’ny toerana misy ny tranobe).

Tsy vitan’izany ihany fa raha sendra misy olona na zanaka any ampandehanana dia ampitondraina ny rano Manañano amin’ny tavoangy ka rehefa manina na mararirary na malazolazo dia misafo sy misotso kely amin’ilay rano. Ohatra koa misy olona handeha hamangy na hitady any antany lavitra any dia mitondra ranon’ny Mananano.

Ary ny farany dia ny fombafomba ato amin’ilay zaza rehefa misy olona teraka eo antanana dia rehefa tapaka ilay fotran’ilay zaza dia halatraka amin’ny ranon’ny mananano. Efa fomba fanaon’ny olona hatrizay ka hatramin’izao izany.

Manakarena zava-maniry ny faritr’I marofarihy raha eo amin’ny zava-maniry no resahina satria dia saika ahitana ireo karazana ala maro samihafa toy ny ravinala, kininina, sapin, kininina rano, voandelaky, grevilia, volo. Sady ny mponina raha teo dia efa miaina amin’ny fambolena. Raha tsy ilaza fotsiny ny amin’ny ravinala izay tena anisany mampiavakaan’ity faritra ity. Tsy vitan’izy mitsiry fotsiny fa manana ny lanjany eo amin’ny fiaraha-monin’ny mponina ao ny fisiany satria noho izy miantoka ny fiainan’ny fiaraha-monina.ohatra fotsiny ny ravinala dia maro ny liana azy, hanaovan’olona trano natao hipetrahanasy trano natao hanatanterahana fomban-drazana. Ka ny tafony dia vita amin’ny raviny, ny rindrina vita amin’ny vatany ary ny varavaranyizay vita amin’ny tahony. Ohatra koa raha sendra misy lanonana iraisana eo an-tananan toy ny anahandrobe dia azo atao vilia sy sotro ny ravin’ilay ravinala. Azo hanaovana mofo ihany koa ary ny farany dia azo hitadiavana vola ihany koa ao ny fanamboarana raty, ny rapaka izay amidin’olona eny an-tsena mba hitadiavana sakafo .

Ny via izay karazana zava-maniry azo atao solon-tsakafo izany hoe mahasolo vary mihintsy. Io dia zava-maniry mitsiry amoron-drano na amoron-tanimbary izay alain’ny olona ny voany dia atapy ka rehefa maina

...

Télécharger :   txt (271.5 Kb)   pdf (385.8 Kb)   docx (161.1 Kb)  
Voir 159 pages de plus »
Uniquement disponible sur Essays.club