Essays.club - Dissertations, travaux de recherche, examens, fiches de lecture, BAC, notes de recherche et mémoires
Recherche

Les échanges économiqus internationaux, source d'enrichissement dans le monde, mais ne permettant pas le véritable développement de pays du Sud

Par   •  12 Octobre 2018  •  980 Mots (4 Pages)  •  493 Vues

Page 1 sur 4

...

Ireo fifandraisana ara-barotra sy ara-bola eo amin’ny firenen-tsamihafa no mandrafitra ny fifanankalozana ara barotra sy ara-bola eo amin’ny firenen-tsamihafa no mandrafitra ny fifanankalozana ara toe-karena, izay toe-java-misy tsy azo ihodivirana eo amin’ny sehatry ny fanatontoloana ankehitriny. Fa inona avy ireo fiantraikan’ny fifanankalozana ara-toe-karena amin’ny fandrosoan’ny firenena maneran-tany ? ho hazavaina mialoha fa ilaina sady mahasoa ny firenen-drehetra ny fifanankalozana amin’ny ankapobeny, ho porofoina manaraka kosa fa mampitombo ny fahantran’ny tatsimo io fifanankalozana io.

Ilaina sady mahasoa ny firenen-drehetra ny fifanankalozana amin’ny ankapobeny. Eo amin’ny lafiny ara-barotra,ny fanondranana ireo vokatra samihafa no loharanom-bola vahiny be indindra ho an’ny firenen-drehetra; n any vokatra avy amin’ny indostria sy fandraharahana izay fanondran’ny tany tavaratra na ireo vokatra fototra fanondran’ireo tany Tatsimo. Tena ilain’ny toekarena sy mponina ny fanafarana ireo entana samihafa tahaka ny herim-pamokarana toy ny solitany, ny fitaovana samihafa toy ny fitaovam-pitaterana, ary ny vokatra ara-tsakafo.

Eo amin’ny lafiny ara-bola, miteraka tombotsoa betsaka ho an’ireo orinasa maro rantsana ny fampiasam-bola ary etsy andaniny dia afaka manentana ny fitombon’ny toekarena sy ny famoronan’asa any amin’ireo tany Tatsimo ihany koa izany. Miantoka ny fahaveloman’ny mponina sy ny asa fampandrosoana any amin’ireo tany mahantra ny fanampiana iraisam-pirenena na izany eo amin’ny fanamboarana foto-drafitr’asa toy ny lalana, hopitaly na famatsiam-bola ireo tetik’asa mba hampiroboroboana ny lafiny fanabeazana sy fanjarian-tsakafo.

Tsy mitovy anefa ny fiantraikan’ny fifanankalozana ho an’ny tany tsirairay noho izy ireo tsy mifandanja sady mandringa ka tsy ahazoan’ny tany andalam-pandrosoana sasany tombony.

Tsy mifandanja ny fifanankalozana ara-toe-karena eran-tany. Andaniny, dia miteraka fantiantoka betsaka sy lavareny ho an’ireo tany mahantra izany satria, vokatry ny DIT, dia tsy mitovy ireo karazam-bokatra atakalo: ireo vokatra voahodina lafo vidy no fanondran’ny Tavaratra toy ny milina fiasana sy fiarakodia. Ny tatsimo kosa dia mpanondrana indrindra ireo vokatra fototra izay ambany vidy. Tsy mifandanja ihany koa ireo fiaraha miombon’antoka sy ny fizotry ny fifanankalozana satria maro ireo tany tatsimo voahilika ankilabao ary tsy mandray anjara firy amin’ny takalo iraisam-pirenena.

Ireo fampiasam-bola indray, dia hita taratra fa tsy mampandoso ihany koa ny tany tatsimo. Anisan’izany ny fampiasam-bola mivantana izay ataon’ny orin’asa maro rantsana avy any avaratra izay mitrandraka ny harena ny tany mahantra sady mampiasa olona maro amin’ny karama ambany dia ambany. Ireo fanampiana ho amin’ny fampandrosoana avy amin’ny Banky iraisam-pirenena sy ny FMI izay vatsian’ireo firenen-dehibe vola, dia tsy nahafoana velively ny fahantrana ary toa vao maika aza manampy trotraka ny fiankinan-doha any ivelany nohon’ny habetsahan’ny trosa.

Ho fehiny, nanome tombony ho an’ny sasany ny fifanankalozana iraisam-pirenena. Saingy kosa loharanom-pahasahiranana kosa izany ho an’ny hafa; indrindra ireo tatsimo noho izao tontolo izao izay ahitana ny fiarahan’ireo firenen-drehetra monina sy fifampiankinanana. Hanao ahoana ary ny hoavin’ireo tany tatsimo iharan’ny voka-dratsy entin’ny fifanankalozana tsy mifandanja?

...

Télécharger :   txt (7.1 Kb)   pdf (43.7 Kb)   docx (12.8 Kb)  
Voir 3 pages de plus »
Uniquement disponible sur Essays.club